Sarona tao amin’ny toerana fivarotana lehibe iray na ireny « grande surface » ireny ny andiam-behivavy mangalatra. Avy ao Antananarivo izy ireo raha ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny polisim-pirenena eto Vakinankaratra. Tonga teto Antsirabe izy dimy vavy naka hotely fandriam-bahiny ary mitily ireo « grande surface » horobaina. Efa matihanina amin’ny resaka « vol à l’etalage » izy ireo raha ny fanazana, mahavita mipetraka amin’ny hotely andro maromaro ka vidin’ny entana halatra no hanefany ny hofan’ny hotely. Ny 18 septambra lasa teo dia nampangain’ireny » camera de surveillance » ireny izy dimy vavy teo am-pakana entana. Araka ny fanazavana, ny iray mangalatra ny telo kosa manakona mba tsy hisy hahita. Tratra ambodiomby anefa izy dimy vavy ireo ka niantsoana mpitandro filaminana. Ny sasany nanaiky ny heloka vitany, ny sasany kosa nanda ny fiampangana azy. Ny iray tamin’izy dimy vavy no fantatra fa efa mpanao ity halatra ity. Natolotra ny fampanoavana ny faran’ny herinandro lasa teo izy dimy vavy.
Andry N.