- Publicité SW45 -
lundi, juillet 1, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVidin-drano lafo: Misy misotro ranom-potaka ao Toliara

Vidin-drano lafo: Misy misotro ranom-potaka ao Toliara

Betsaka ny mponina ao Toliara sy ny manodidina no velon-taraina manoloana ny fahalafosan’ny rano miainga avy amin’ny orinasam-panjakana tokana Jirama. Ny any amin’ireo toerana somary mihataka ny renivohitra dia betsaka ny tokantrano misotro rano maloto tsy ara-pahasalamana avy amina vovo, miharitra sy ranom-potaka miandrona amin’ireny toerana iva mora ahazoan-drano ireny, amin’izao andro mafana izao. « Vidina vola ny rano ka mahatratra 4000 ariary isam-bolana ho an’ny sahirana. Nefa betsaka amin’izy ireny no tsy nahaloa izany, ka nakaton’ny Jirama ny fantsakan-drano eto amiko efa ho roa volana latsaka kely », hoy ity ramatoa iray mpitantana tobin-drano ao Tsimenatse.
Manoloana izany dia velon-taraina ny vahoaka tsy afa-manoatra sy sahirana amin’io fokontany io. Vovon-drano fananan’olon-tsotra no hany sisa azo ampiasaina ilaharana sady masirasira no andoavam-bola, satria « Rano mira Aina ». Ny manasa lamba moa dia eny amin’ny rano mihandrona maloto sy feno takilidrano. Mbola vitsy ihany koa ny toerana ahitana paompy « Jampy » raha ny hita eny anivon’ny fokontany 41 mandrafitra ny tanànan’i Toliara tamin’ny fanadihadiana natao. Nisy vina taloha kely teo saika hanamboarana izany amina kartie betsaka olona lavitra paompin-drano, nefa maty ankaranany tany ilay tetikasa.

 

Manitrisa 

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser