- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversVilihazo : Fasana efatra nisy namaky, razana maro very

Vilihazo : Fasana efatra nisy namaky, razana maro very

Omaly maraina, olona sendra nandalo no nahatsikaritra zavatra fahafaha teo amin’ny fasana iray teo amin’ny toerana antsoina hoe Fanamaro, kamonina Vilihazo eny Avaradrano. Io no nampilaza tany amin’ny tompon’andrikitry ny fokontany. Nampilazana koa ny ben’ny tanànan’i Vilihazo ary dia samy nandeha nizaha teny an-toerana ny rehetra. Tonga ny rehetra ka tamin’izay vao fantatra fa fasana telo no indray nisy namaky. Nojerena ka lasa avokoa ny taolan-dava rehetra tamin’ireo razana. Ny karandoha sisa navelan’ireo mpangalatra. Avy hatrany moa dia samy nandray ny handraikitra tadrify azy ny tompon’ny fasana koa dia nofonosina ireo karana sisa tavela ary nampidirina am-pasana. Tsy nijanona teo anefa ny fahitana fasana vaky fa tokony ho 2 km niala an’i Vilihazo, fantatra koa fa nisy fasana iray vaky. Nojerena koa ny tao anatiny ka efa nakorotan’ireo mpanimbazimba ny razana rehetra. Voalaza fa ny faty maina ihany no nalain’ireto olon-dratsy ireto fa ny faty lena navelany teo.  Hatramin’izao, tsy fantatra ny fotoana marina namakian’ny sasany an’ireo fasana ireo. Efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici