- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers« Village Touristique » - Mahajanga : Mpitsangantsangana telo indray maty, natelin’ny...

« Village Touristique » – Mahajanga : Mpitsangantsangana telo indray maty, natelin’ny ranomasina

Efa-mianaka no indray natelin’ny ranomasina teny amin’ny « village touristique » Mahajanga. Vehivavy iray no avotra, raha namoy ny ainy avokoa ny telo. Ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny efatra ora hariva no niseho ny loza, raha nikasa ny hilalao ranomasina sy hilomano ireto fianakaviana ireto. Tsy fantatra anefa izay tena zava-nitranga fa nentin’ny onjan-dranomasina izy efa-mianaka. Samy nirohotra namonjy avokoa ireo nahita, ka tovovavy iray 15 taona no tafavoaka soa aman-tsara, saingy efa sempotra. Nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana moa ity farany. Tsy hita popoka kosa ny nalehan’ny lehilahy iray 24 taona niaraka taminy sy ny ankizivavy roa 14 sy 10 taona. Nitohy ny fikarohana. Tonga teny an-toerana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny avy, nahitàna mpandala ny fomban-drazana sy ireo tomponandraikitry ny filaminana ary ny  mpamonjy voina. Voatery nampiasàna sambokely haingam-pandeha izany saingy vao nahitam-bokany, ka hita tamin’izany ny vatana mangatsiakan’ilay ankizivavy 14 taona. Nitohy hatramin’ny omaly ny fikarohana, ka tokony ho tamin’ny 11 teo no hita ilay tovolahy 25 taona, ary ny hariva kosa ilay ankizy kely 10 taona.

Loza tokoa no nahazo ireto fianakaviana ireto satria dia fitsangantsanganana no saika naleha, kanefa dia fahafatesana no nitsena azy ireo. Nisafidy ity toerana ity ireto mpiala sasatra ireto. Toerana izay efa malaza ao an-drenivohitr’i Boina tao fa mampidi-doza. Efa nisy mihitsy ny fampitandremana ho an’ireo vahiny teo aloha teo saingy ankehitriny dia toa adinodino indray izany ka dia izao nitera-doza izao. Raha ny filazan’ireo tompon-tany any an-toerana mantsy dia malaza ho maka olona foana io ranomasina ao io, noho ny fisiana rano mihodina eny amin’iny faritra iny. Ao ihany koa anefa ireo milaza fa misy fady tokony ho tandremana io ranomasina io, ka mitera-doza ho an’izay tsy mahatandrina izany, alohan’ny hirobohana ny ranomasina.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici