Tsy mataho-tody ! Lehilahy miisa telo, 44 taona ny zokiny ary 21 ny zandriny no voasambotry ny pôlisy tao Mahavoky Atsimo, ny harivan’ny talata lasa teo. Fikasana hanendaka, handrahona ho faty ary hanolana no nitazomana sy nisamborana azy ireo, raha voapaingotry ny polisy teo am-pikasàna ny hanao ratsy ry zalahy ireto. Raha ny fampitam-boavao azo dia zazavavikely 12 taona anankiroa, handeha hihazo fodiana, ary nihazo ny lalan’ny « village touristique » iny no nifanena tamin’ireto tontakely ireto. « Tsikaritr ‘ ireto farany fa nandeha irery izy ireo ka nitsiry avy hatrany ny hevitra nikasa ny hanolana. Nihezaka ny nanohitra sy nanda moa ireo niharan ‘ ny herisetra ka norahonan’iretsy olon-dratsy ho vonoina tamin’ny antsy teny aminy » hoy hatrany ny vaovao azo. Nahare ny hikiaka sy ny antso vonjy ireo manodidina sy ny andrimasom-pokonolona ka niantso polisy avy hatrany. Ireto farany izay nanao fisafoana tsy lavitra teo ary avy hatrany dia niolomay namonjy teny amin’ny toerana nisian’ity asa ratsy ity. « Tonga ara – potoana ireo mpitandro ny filaminana ka noraisim – potsiny ireo mpanao ratsy. Nasaina nanatona ny Sampan – draharaha misahana ny zaza tsy ampy taona any an – toerana moa izy roa vavy. Noentina eny amin’ny Kaomisaria foibe kosa ireo lehilahy telo nanohizana fanadihadiana » hoy hatrany ny fampitam-baovao azo. Anisan’ny mampisy endrika ratsy ny renivohitr’i Boina ny resaka tsy fandriampahelamana, izay mazana toerana finidin’ny maro ho amin’ny fialan-tsasatra. Soa ihany manao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpanao fisafoana entina miady amin’izany sy misambotra ireny olon-dratsy ireny.
m.L