- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVinaninkarena : Jiolahy tratra ambodiomby namaky trano, nitolo-tena nananga-tanana

Vinaninkarena : Jiolahy tratra ambodiomby namaky trano, nitolo-tena nananga-tanana

Nisehoana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana  teny Vinaninkarena Antsirabe. Sendra ny andro miditra anefa ilay jiolahy ka tratra ambodiomby ka nitolo-batana tamin’ny zandary. Ny alin’ny talata 17 janoary hifoha ny alarobia no nitrangan’ny fanafihana tao amina tokantrano iray tao Vinaninkarena tao. Tsy mba nandeha andiany maro toy ny fanafihana mpiseho andavanandro,  na nisy namana hafa, ity jiolahy ity fa dia izy irery no nanao ny asa ratsiny. Novakian’ilay jiolahy ny varavaram-pitaratra ary teo izy no niditra ary nanambana basy ny tao an-trano avy hatrany. Tsy nisy afa-nihetsika intsony ny rehetra fa nilavo lefona nanaloana ny firangarangan’ny basy teny an-tanany. Misafidy ianareo, hoy ilay jiolahy tamin’ny tompon-trano, na hidiana anaty efitra, na hilefa handositra. Nisafidy ny hitsoaka sy handao ny tranony kosa ny voatafika. Tsy nampoizin’ity jiolahy anefa fa nanatona ny zandary BPR manao asa fisavana teo amin’ny lalam-pirenena ao Vinaninkarena ireo voatafika. Teo no ho eo ihany  dia namonjy haingana tany amin’ilay trano ny zandary. Inona tokoa fa mbola tao ranamana nikasa hanangona entana. Nampitandrina azy ny zandary ary nandidy azy mba hivoaka moramora sy hanangan-tanana. Mbola nanjetoka tao an-trano anefa ranamana ka voatery nanapoaka basy ny zandary. Voalaza fa indroa nipoaka ny basy vao nivoaka izy, nitolo-batana. Niala maina noho izany ny jiolahy, tsy nisy na inona na inona koa mbola lasany fa dia io vosambotra io.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici