- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversVinaninkarena : Nifampitifitra ny dahalo sy ny zandary, omby 18 tafaverina

Vinaninkarena : Nifampitifitra ny dahalo sy ny zandary, omby 18 tafaverina

Efa manani-bohitra ankehitriny  ny asan-dahalo eto Antsirabe, tsy lavitra akory fa tao Vinaninkarena no nisehoana fanafihan-dahalo ny faran’ny herinandro lasa teo. Lasibatra tamin’izany ny tao amin’ny fokontany Fenoarivo kaominina Ambohitsimanova.

Tokony ho tamin’ny 9 ora alina tany ho any raha ny filazan’ny solontenan’ny mponina no niditra ny tanàna ny dahalo manodidina ny 15 lahy eo ho eo. Kotaba poa-basy sy horakoraka no nidirany teo an-tanàna, niezaka namaly ihany ny fokonolona saingy tsy nahatohitra ny basy ka ny hany azo natao dia nilefa avokoa. Tokantrano telo misy valan’omby no nidiran’ireo malaso nony avy teo, ary tapitra noraofiny avokoa ny omby rehetra nahatratra 18 isa. Tsy niandry ela ny fokonolona taorian’ny fanafihana fa avy hatrany dia nanatona ny zandary  manao ny asany amin’ny fisavana ireo fiara mivezivezy amin’ny alina amin’iny lalam-pirenena faha7 iny. Ireo zandarin’ny BPR ireo no avy hatrany dia niaraka tamin’ny fokonolona nanao ny fanarahan-dia taorian’ny toromarika voarainy. Ny borigady Antsirabe sy ny zandary avy ao  Manandona kosa no nanao ny sakana mialoha  tamin’ireo lalana heverina fa tsy maintsy andalovan’ireo dahalo mandroaka ny omby. Tsikaritr’ireo dahalo fa tsy mahita hirika hivoahana intsony ry zalahy ka tao Mahaimandry no nifanehatra tamin’ny zandarin’ny BPR nanaraka avy aoriana. Raikitra ny fifampitifirana tao, tsy naharesy ny zandary ry zalahy ka vaky nandositra avokoa ka navelany teo avokoa ny omby hazany. Nambaran’ny lehiben’ny borigady Andranomadio GPHC  Damy Bevahiny fa efa tery avokoa ny lalana, saika feno zandary ka nivily tamina lalana hafa, niditra kizo ireo dahalo ka teo no naha tafaporitsaka azy ireo. Mbola mitohy ny fanadihadiana raha toa ka efa taferina tamin’ny tompony avokoa ny omby 18 isa.

Andry N. 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici