- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversVinaninkarena : Tovovavy niboridana, tratra ambodiomby nivoaka alina

Vinaninkarena : Tovovavy niboridana, tratra ambodiomby nivoaka alina

Tratra ambodiomby araka ny fitenena ny tovovavy iray vao herotrerony. Tao ambalan’omby no nahatratrana azy nanakorotana sy nisavika ny omby amin’ny andro misasaka alina.

Ny alin’ny alahady hifofa alatsinainy teo no nisehoan’ity tranga ity tao amin’ny fokontany Ankarinomby, kaominina vinaninkarena. Fanaon’ilay tompon’omby ny misafo ny ombiny ao ambala isak’alina noho ny tsy fandriam-pahalemana. Somary taitra ilay rangahy io alina io satria tsy mandry ny omby fa mikorontana sy mikorapadrapaka. Nitsaitsaika ilay rangahy satria nahatazana  aloka toa olona. Nony akaiky, akory ny hatarainy fa tovovavy tokony ho 20 taona no hitany misavika ny omby. Niboridana tanteraka io tovovavy io tsy nisy na dia silipo aza. Tsy nahetsika ity farany satria tratra ambodiomby tokoa, ka  noraisim-potsiny. Nampandre ny manodidina sy  ny sefo fokontany ny tompon’omby sao misy mahalala ity tovovavy mpamosavy ity, saingy tsy nisy nahalala azy. Soa aloha fa tony ny olona nahita azy ary tsy nisy nikasi-tanana fa dia variana nahita ity tovovavy mivoaka alina no sady miboridana.

Toy ireny very saina ireny kosa ilay tovovavy rehefa nohadiadiana ary nilaza fa  any Andranonahoatra no misy ny fonenany.

Nomena fitafiana ilay tovovavy ary nentin’ny mpitandro filaminana hikarohana izay mety ho fianakaviany sy ny fonenany.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici