Omaly izy ireo no efa tazana teo an-tokotanin’ny fampanoavana Anosy saingy tamin’ny minitra farany no nanapa-kevitra ny mpitsara ny hanemotra ny fihainoana azy ireo anio. Amin’ny folo ora no nasaina niverina eny ireo teratany Turcs miisa 14 noho ny tsy fahampian’ny antontan-taratasy ilain’ny mpitsara. Izy ireo dia mbola misy ifandraisany tamin’ny raharaha nampidoboka am-ponja an’I R.L.Y ihany. Io farany, raha tsiahivina kely no tompon’antoka tamin’ny fanamboarana Visa sandoka ho an’ny teratany vahiny maro te hitoetra eto Madagasikara. Tamin’ity indray mitoraka ity dia izy ihany koa no nanao ny an’ireo teratany Turcs izay hohenoin’ny fampanoavana anio. Isan’ny antony nanemorana izany ho anio ny fangalàna ny taratasy fanamarinan’I R.L.Y izay efa eny Antanimora, raha manaiky na tsia ny heloka vitany izy. Momba ireo Turcs indray kosa dia fantatra fa karazany telo ny vesatra hanenjehana azy ireo dia ny fampiasana hosoka, fampiasana visa tsy ara-dalàna ary ny fanaovana asa tsy ara-dalàna. Ny pôlisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany no mandray an-tànana ity fanadihadiana ity, ary ny zandary kosa ny nahasambotra an’I R.L.Y ny alakamisy lasa teo. Raha ny tombatomban’ny mpanao famotorana dia tafakatra hatrany amin’ny 200 miliara fmg any ny lavaka naterak’ity fanaovana hosoka ity ho an’ny kitapom-bolam-panjakana. Teratany vahiny maro no manjifa ireo visa sandoka : sinoa, karàna, frantsay, turcs sns… ka tamin’ity indray mitoraka ity dia ny Turcs no tratra farany. Momba ireo visa indray dia tena mitovy tanteraka amin’ny vitan’ny fitaovana eo anivon’ny ministera tompon’andraikitra izy ireo saingy ny naha-sandoka azy dia ny tsy voarakitra ao anatin’ny solosaina misy ny lisitry ny olona nahazo visa ireo mpanjifa rehefa atao ny fitsirihana. Arahina ny fivoaran’ny raharaha anio.
D.R