- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversVisa sandoka : Nahazo fahafahana vonjimaika avokoa ireo Turcs 14

Visa sandoka : Nahazo fahafahana vonjimaika avokoa ireo Turcs 14

Ny sasantsasany tamin’ireo Turcs niandry ny fiatnsoan’ny mpitsara (sary Yvon Ram)

Tsy nisy na iray aza nidoboka am-ponja tamin’ireo teratany Turcs izay natolotra ny fampanoavana omaly. Nahazo fahafahana vonjimaika avokoa ireo vahiny izay notronon’ny mitovy fiaviana aminy maromaro teny Anosy omaly. Iray no nidoboka am-ponja tamin’ity raharaha ity dia ilay olona efa tazomina eny Antanimora ihany. Izany hoe I R.L.Y izay mpanamboatra ireo visa sandoka ho azy ireo. Maro ny talanjona tamin’ity raharaha ity satria any ivelany, raha sanatria tratra tsy misy taratasy ara-dalàna fotsiny dia efa alefa mody avy hatrany. Ity kosa anefa efa voaporofo ny fampiasana hosoka nataon’ireo teratany vahiny izay voatsinjara ho heloka izany. Tsy nisy ny famonjana vonjimaika fa nitontona tany amin’I R.L.Y avokoa ny rihitra. Tsiahivina anefa fa tao anatin’ity raharaha ity dia misy ny fangalarana ny sonian’ny minisitry ny atitany izay iaraha-mahalala fa sady Praiminisitra ihany koa. Dia raha Malagasy no sarona mampiasa ny antontan-taratasy sandoka izay misy sonian’ny mpitondra fanjakana any ivelany any dia ahoana no mety hiafaran’izy ireo? Isan’ny nandeha izany eritreritra izany tamin’ireo olona izay nanaraka ny fandehan’ny raharaha teny Anosy omaly. Amin’ity raharaha ity dia ny fiandrianam-pirenena mihitsy no voakitika satria isan’ny iompanan’izany ny fanomezana visa ho an’ny vahiny. Zon’ny fanjakana tanteraka avy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny sy ny minisiteran’ny atitany ny manome na tsia visa ho an’ny teratany vahiny. Tamin’ity indray mitoraka ity dia maro ny olona no mahita fa voahitsakitsaka tanteraka izany satria tsy vitan’ny efa nampiasa hosoka ireo vahiny voakasika fa mbola nanao asa tsy ara-dalàna ihany koa ny ankamaroany. Hatrizay dia nidoboka am-ponja hatrany izay sarona noho ny heloka mitovy, indrindra ireo olona avy atsy afrika atsimo izay maro koa no tsy ara-dalàna ny taratasiny. Tsy mijanona hatreo ny fisian’ny vahiny mampiasa hosoka satria vao omaly koa izao no nisy dimy hafa izay notazomina indray noho izany antony izany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici