Hita tato ho ato, fa isan’ny antony iray mahatonga ny lozam-pifamoivoizana, ny tsy fahatomombanana eo amin’ny lafiny teknikan’ny fiara. Izay indrindra no antony nanosika ny eo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia, handeha hidina ifotony, nanatanteraka fitsirihana tampotampoka teny an-dalana teny. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia teny amin’iny faritra Andoharanofotsy sy Iavoloha iny ireo teknisianina no nanantanteraka ity fitsirihana tampoka ity, izay notarihan’ny Tale jeneralin’ny Foibe fitsarana fiarakodia, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny avy eo anivon’ity sampan-draharaha ity. Tao anatin’izany dia fantatra, fa fiara 26 no vita fitsirahana ka ny valo tamin’ireo, izay nahitana fiarabe, taxibe ary fiara fitateran’entana, no tsy ara-dalàna ary nomena fanamarihana « inapte » avy hatrany. Marihana hoy ny fanazavana, fa aorian’ny fanomezana ity fanamarihana ity, dia anjaran’ny zandary na ny pôlisy no manasazy ireto fiara tsy ara-dalàna amin’ny lafiny teknika ireto.
Ankoatra ny fisorohana ny loza, izay zavatra telo no natao ho tanjona tamin’ity fidinana tampoka nataon’ny foibe fitsarana fiara ity : ny ady amin’ny fampiasana sy fanaovana hosoka, ny fijerena ifotony ireo fiara minia tsy manao fitsirihana ara-teknika ary ny fanenjehana ireo fandikan-dalàna mifehy ny fifamoivoizana. Marihana hoy hatrany ny fanazavana azo, fa tsy mitovy amin’ireo fitsirihana ara-teknika atao eny anivon’ireo toby fitsirihana ity natao tampoka ity, fa hiompana betsaka amin’ireo singa mety hitera-doza, toy ny hisatra, ireo fitaovana fanazavana (jiro, …) ary ny fitaovana familiana. Ankoatr’ity fidinana ifotony ity ihany koa, dia tsara ny mampahafantatra hoy ireo tompon’andraikitra, fa efa misokatra ny laharana 034 77 777 03, izay azo antsoina raha misy mahita tandrevaka ara-teknika eny an-dalana eny.
m.L