- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVita mondial : Nisy naratra mafy, nisy teraka vao vita ny baolina

Vita mondial : Nisy naratra mafy, nisy teraka vao vita ny baolina

Misy ny nitondra am-po, tao koa ny nalahelo fa very vola noho ny filokàna. Vetivety dia rafitra ny ady tamin’ny toerana sasany izay nijerena ny lalao famarànana ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany amin’ny baolina kitra. Saingy tsy tany Qatar no raikitra ny rombo fa teto an-drenivohitr’i Madagasikara. Asa izay tany an-toeran-kafa fa teto Antananarivo dia nisy ny vely tavoahangy sy ny adiady izay niteraka faharatràna. Toa izay nitranga tetsy Mahamasina ny alin’iny alahady iny. Ny toaka izay nifangaro fifampihatsiana am-bava no niteraka ady noho ny farany. Lehilahy iray no voavely tavoahangy ary vaky mihitsy ny lohany vokatr’izany. Voatery nentina teny amin’ny hopitaly io farany mba ho fitsaboana azy. Nisy koa ireo niloka ka tsy nahazaka very vola ary dia niafara tamin’ny totohondry ny taorian’ny baolina. Matetika miseho ihany ny toa izao izay azo hitarafana ny fahambanian-tsain’ny sasany. Manampy trotraka koa ny ady amin’ny fiainana hany ka raha vao mahazo zava-pisotro misy alikaola dia mivoaka avokoa ny sorisory niotrika tao anaty ary lasa mafibe. Dia saika nitovitovy tamin’izany avokoa ny fahavoazan’ireo olona nentina na tonga teny amin’ny hopitaly, fotoana fohy taorian’ny fahavitan’iny lalao famaranana iny. Nisy koa anefa ny nahazo fahasoavana nandritr’iny fotoana iray iny. Toa izany ny ramatoa izay nihetsi-jaza teo am-pijerena baolina niaraka tamin’ny maro tao Mahamasina ary nentina haingana teny amin’ny hopitaly ka teraka soa aman-tsara. Na any amin’ny firenen-dehibe aza dia mbola misy hatrany ny adiady kely sy gafigafy aorian’ny fifanandrinana baolina kitra avy amin’ireo mpankafy. Toa izay mateti-pitranga ao Paris isaky ny misy baolina kitra ataon’ny ekipam-pireneny. Na resy na mandresy dia misy sahotaka kely foana ary na ny mpitandro ny filaminana aza dia efa mivonona ny amin’izay mitranga. Tsy izany no voatery tarafina…

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici