- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 12, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFileovan’i Toamasina : Vita omaly ny famindram-pitantanana

Fileovan’i Toamasina : Vita omaly ny famindram-pitantanana

Natao ny alakamisy 25 aprily teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny lehiben’ny fileovana na ny prefen’i Toamasina vaovao Atoa Benandrasana Cyril, sy teo aloha Ambinintsoa Jean José, natrehan’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny atitany Atoa Razafiarison Jean Jugus. Nambaran’ireo nifamindra fitantanana ireto, fa 23 volana taty  aoriana nametrahana azy ho lehiben’ny fileovan’i Toamasina Atoa Ambinintsia Jean José no noesorin’ny fanjakana indray, ka nosoloina an’Atoa Benandrasana Cyril ; raha 24 volana talohan’izay koa no nosoloin’Atoa Razafiarison Jean Jugus toerana koa ity olona vao notendren’ny fanjakana ity. Nefa « olo-mahay tsy very mandeha » hoy izy ireo, ary « ny maha-olom-panjakana tsy maintsy mitety an’i Madagasikara », hoy hatrany izy ireo. Ka ho an’Atoa Benandrasana Cyril dia « mitohy hatrany ny asam-panjakana rehetra, fa indrindra ny resaka filaminam-bahoaka sy ny asam-panjakana », satria hita taratra ny firongatry ny tsy filaminana ankehitriny sy ny resaka zava-mahadomelina amin’izao fotoana izao, ka tsy maintsy hisy ny fandaminan-draharaha ao anatin’izany mba samy handry fahalemana ny vahoaka rehetra. Ankoatra izay dia nanome toky ireo mpiara-miasa amin’ny lehiben’ny fileovan’i Toamasina, fa vonona amin’ny asa rehetra atao araka ny baikom-panjakana rehetra.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici