Hotanterahina eto Antsirabe manoloana ny gara sy ny manodidina ny araben’ny fahaleovantena, toy ny fanao isan-taona hatrany, ny « Vitrine du Vakinankaratra », ny faha 27-28-29 aogositra izao. Hetsika toekarena iray fanaon’ny FIOVA na Fivondronan’ny Orinasan’ny Vakinankaratra izy io. Hiditra amin’ny andiany faha-18 amin’izao ity hetsika iray goavana eto Vakinankaratra ity. Fantatra izany nandritra ny valan-dresaka natao ho an’ny mpanao gazety eto Antsirabe ny faran’ny herinandro lasa teo, tao amin’ny Flower Palace. Mahatratra 60 amin’izao ireo orinasa handray anjara amin’ity hetsika ity, amin’ny alalan’ny tranoeva misy ny fampiratiana ny vokatra sy fampahafantarana ny mombamomba ny orinasa. Hifantoka amin’ny tontolo ambanivohitra, ny fanodinanan ny vokatra, ary mipaka hatrany amin’ny fanapariahana sy ny varotra, ny tanjona amin’ity andiany ity. Izany indrindra no nifidianan’ny ministera mpiahy ny loahevitra hoe« fanodinanana ny vokatra any ambanivohitra ho an’ny fampandrosoana ny toekaren’i Vakinankaratra ». Ankoatra ireo fampirantiana tranoeva samihafa dia hisy ihany koa ireo orinasa mpikambana hamoaka mpianatra ; hisy ny fitsidihana orinasa sy adihevitra ary ny antsoina hoe « Marche de la solidarité ».
Tsiahivina fa tanjon’ny « Vitrine du Vakinankaratra » ny fanetsehana ny toekarena misy eto an-toerana, ary hetsika iray hahafahana mandrefy ny ezaka vitan’ny orinasa izy ity.
Andry N.