- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVITRINE DU VAKINANKARATRA :  Maherin’ny 250 isa ny nandray anjara

VITRINE DU VAKINANKARATRA :  Maherin’ny 250 isa ny nandray anjara

Fahombiazana indray, izay no azo amehezana ny hetsika ara-toe-karena iray fanaon’ny FIOVA eto Antsibe, notanterahina nandritra ny hateloana tamin’ny herinandro lasa teo. Ny datin’ny 5 Septambra lasa teo no nanokafana ny hetsika tamin’ny fomba ofisialy izany notronon’ny filohan’ny antenimeram-pirenena Tokely Justin sy ny minisitry ny Asa, ny fampanan’asa sary ny asam-panjakana Razakaboana Hanitra niraka tamin’ireo olomb-boafidy eto an-toerana. Nampiavaka ity andiany faha 26 ity ny fahamoroan’ny mpandray anjara izay nahatratra 274 raha ny antontanisa voaray, efa misokatra ho an’ny faritra hafa rahateo ny « vitrine du vakinankatra » fa nijanona ho an’ny orinasa eto an-toerana fotsiny ihany, tsy latsaky ny 20 isa ny avy any amin’ny faritra no nandray anjara tamin’ity andiany ity. Samy nahazo ny tandrify azy avoka na ireo orinasa vaventy na ireo salantsalany indrindra fa ny mpanjifa fa saika hita tamin’ny tranoheva avokoa rehefa orinasa sy ireny karazana toeram-pampiofanana fakana hevitra ireny. Tanjon’itony hetsika itony moa ny hanoma lanja ny orinasa sy ny zavatra vokariny amin’ny alalan’ny fampahafantarana sy fampiratiana ny vokatra misy eto Vakinankaratra. «  Ny famokarana mitodika makany amin’ny tsena » io no loahevitra nosafidiana tamin’ity taona ity. Mila mitodika makany amin’ny tsena isika raha te hitondra fampandrosoana hoy ny folohan’ny FIOVA Ramarijaona Andrianjafy fa tsy nahitam-bokany ny fomba fiasa teo aloha. Mitaky zavatra maro izany hoy izy, ilaina ny fampitomboana ny tany volena, fampiasana milina goavana izay mitarika ny fahabetsahan’ny vokatra miakatra ary tokony manaraka izay ihany koa ny fitomboan’ny fahefa-mividy. Ankoatra ny fampiratiana maro samy hafa nanoloana ny araben’ny fahaleovan-tany dia nisy ny valan-dresaka narahana adihevitra niankina tamina loahevitra samihafa. Diaben’ny firaisan-kina nataon’ireo orinasa mpandray anjara no namaranana ny hetsika ny Sabotsy lasa teo. Manome fotoana indray ny FIOVA amin’ny “Vitrine du Vakinankaratra” andiany faha 27.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici