Nodimandry ny talata lasa teo ilay raim-pianakaviana izay isan’ny voadaroky ny miaramila tetsy Avaradoha tamin’ny volana Mey lasa teo. Namela manantena roa i Rakoto Sylver Zanany izay lavo teo amin’ny faha-43 taonany. Ho an’ny fianakaviany izay nivoaka tamin’ny fahanginany dia nilaza mazava izy ireo fa takaitra vokatry ny fidarohana azy no nitarika ny fahafatesany. Nisy ratra anaty izy ary efa noezahina notsaboina ela izany saingy namoy ny ainy ihany, raha araka ny fanamarihan’ireo. Ireo farany koa dia mbola nanamafy ny alahelony mahakasika ny didim-pitsaràna momba ity raharaha daroka sy vono ity. Efa miendrika vonoan’olona mantsy ny zava-misy izao satria nitarika fahafatesana ny daroka na dia roa volana taty aoriana aza. Nisontona ny sain’ny minisitry ny fitsaràna izy ireo momba ny didy nivoaka izay herintaona sazy mihatra miampy lamandy roa tapitrisa ariary. « Fampandrenesana no nataonay. Efa reraka nitady ny rariny izahay ka tsy te hifandrirarira intsony fa aleo handry am-piadànana ny havanay. Ny didy efa nivoaka fa nigadra iray taona ireo miaramila ary onitra izay mbola tsy azo. Ka tsy misy inon’inona azo atao intsony ho tohin’ny fitoriana », raha araka ny fampatsiahivana nataon’izy ireo. Ny zoma hoavy izao no hasitrika ny razana.
D.R