Kivy ratsy izay nahita. Tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany teo omaly, no nitrangan’ilay lozam-pifamoivoizana tetsy Iavoloha. “Nisongona kamiao teo anoloany ilay môtô izay nitondra raim-pianakaviana iray sy ny zanany. Raha ny fahafantarako azy, dia nidona tamin’ny tapany aorianan’ilay fiarabe io môtô io, ka nahatonga ny mpandeha roa nitsirara tamin’ny tany. Ilay zaza dia voahitsaka teo amin’ny lohany ka maty teo noho eo. Vaky tanteraka ny lohany na dia nisy aroloha nanaovany aza. Ilay raim-pianakaviana kosa tapaka avy hatrany ny tànany sy ny tongony ary tsy afa-nihetsika intsony” raha araka ny fanazavan’ny olona iray mipetraka eo amin’ny manodidina izay nahita maso ny zava-nitranga. Tonga teny an-toerana ny zandary nanokatra fanadihadiana momba ity tranga ity. Ontsa ny olona raha nijery ilay zazakely; izay nitsirara tamin’ny tany ary efa tsy nihetsika intsony. Olona teo amin’ny manodidina no nanome lamba mba nanaronana azy tsy ho hita mivandravandra loatra. Ilay rainy kosa nentina faran’izay haingana tany amin’ny hopitaly ary ny tena nampalahelo aza dia maro ny fiara izay nosakanana no nandà ny tsy nitondra, raha araka ny fanazavan’ny olona teo an-toerana hatrany. Mbola lozam-pifamoivoizana iray hafa ihany koa no nitranga teny Talatamaty, omaly maraina tokony ho tamin’ny iray ora. Io indray dia taxi-be no nifatratra tao anaty tranon’olona. Raha araka ny fanazavana azo, dia ny mpamily mpanampy (resevera) no nitondra ilay fiara tamin’io fotoana io. Niaraka tamin’ny vehivavy iray hafa izy. Raha ny filazan’ny teo an-tanàna dia mbola niaraka tamin’olon-kafa koa ny mpamily tena izy tamin’io fotoana io ka nomeny ilay mpanampy azy izany ny fiara. Mba tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity tranga faharoa ity. Tsy nijanona teo fa mbola nisy ihany koa ny lozam-pifamoivoizana hafa toa ny teny amin’ny Digue; izay nisian’ny môtô nifandona tamin’ny fiara sy iray hafa teny Ilafy. Môtô no tena maro tamin’ireo niharan’ny loza.
D.R