- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversVoalaza fa nanolana azy : Mpandraharaha iray, nitakian’ny mpiasany vola an-tapitrisany

Voalaza fa nanolana azy : Mpandraharaha iray, nitakian’ny mpiasany vola an-tapitrisany

Tovovavy iray, izay nilaza fa naolan’ny mpampiasa azy no mandrahona ity farany ary mitaky vola an-tapitrisany, ho tambin’ny fahanginany sy ny tsy fametrahany fitoriana. Ny zava-nisy : mitana toeram-pivarotana iray eto an-drenivohitra ity lehilahy iray ary mampiasa tovovavy. Taty aoriana dia voalaza fa niaraka izy ireo. Nisy anefa ny tsy fifanarahana teo amin’ny roa tonta ka nolazain’ity tovovavy fa niharan’ny herisetra ara-nofo avy tamin’ity mpampiasa azy ity izy. Niezaka ny nandamina ny lehilahy saingy tsy nety niverina tamin’ny heviny rakalakely ary tonga hatramin’ny fandrahonana mihitsy. Tsy vitan’izay anefa fa tonga hatramin’ny fitakiana vola tsy ara-drariny mihitsy. Nambara mantsy fa hoe raha tsy omena vola roa tapitrisa ariary rakalakely dia handeha hametraka fitoriana eny anivon’ny fitsaràna, satria toa hoe manana olona ambony any. Koa satria efa tsy vitan’ny fifampiresahana intsony ny resaka ary heverina fa mety efa tetik’adin’ity tovovavy mihitsy ny toy izany dia nanapa-kevitra ny hametraka fitoriana teny anivon’ireo mpitandro filaminana ity mpandraharaha ity. Nanazava moa ity farany fa tsy nisy an-tery ary nifanarahan’izy roa tonta hatrany ny fiarahan’izy ireo. Efa nandray an-tanana ny raharaha ireo tomponandraikitra ary efa mandeha ny fanadihadiana. Amin’izao tokoa dia nanjary lasa tetik’adin’ireo olon-dratsy entina haminganana olona fotsiny ity resaka fanolanana ity. Fantatr’izy ireo tsara mantsy fa hentitra tanteraka ny lalàna manoloana izany taorian’ireo trangana fanolanana nisesisesy tao anatin’ny volana maromaro lasa izay. Araka izany, tsy vitsy ireo olona, na olon-dehibe io na ankizy no voalaza fa tafiditra am-ponja tsy fidiny noho izay resaka tondro molotra sy halako bika tsy tiako tarehy izay.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

4 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici