- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversVoaompa ny miaramila

Voaompa ny miaramila

Niezaka nampitony fo fotsiny omaly ireo mpitandro ny filaminana rehetra, na miaramila izany na polisy na koa zandary. Na taiza na taiza mantsy nisy an’ireo omaly dia ompa variraraka no nahazo azy. Naneho ny tsy fifaliany ny olona manoloana ny herisetra nitranga tetsy Faravohitra. Ankoatra ny fandorana kodiarana tetsy Andrefan’Ambohijanahary dia ny vava no tena hita nirarakopana, entina handrangitana ireo mpitandro ny filaminana. Ireto farany anefa efa nahazo baiko avy amin’ny lehibeny tsirairay avy mba tsy hampiasa hery tsy amim-piheverana, sao sanatria hanitatra ny korontana sy hampitombo ny hatezeram-bahoaka. Omaly alina dia nohamafisina ny fiambenana an’Antananarivo. Nampitomboina avo roa heny ny mpitandro ny filaminana manao ny asany isan’alina ary raha ny fantatra aza dia ny rehetra tsy an-kanavaka no nanao ny asa fiambenana omaly. Isan’izany ny biraom-panjakana sy ny ministera isan-karazany. Isan’ny voakasik’io fepetra io ihany koa ny toby miaramila satria tsy afaka nody omaly ny rehetra miasa eo anivony fa miasa, miambina. Herinandro lasa izay no nisy ny tsaho ny amin’ny fanonganam-panjakana ka nahatonga ny fanamafisana ny fiarovana an’Antananarivo. Iray volana lasa ihany koa izay no nisy ny fanahiana fa hisy olona marobe avy any amin’ny faritra ary mitondra fitaovam-piadiana hiakatra hanakorontana eto an-drenivohitra. Saingy tsy nisy avokoa izany. I « Dada » no nody ka avy hatrany dia nampikoropaka ny fitondrana…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser