
Tena henjana ny resaka fidirana an-tranon’ny olona amin’ny andro alina ankehitriny. Sady mandromba izy ireo no namono ary mandratra olona amin’ny trano idirany. Tokantrano iray izay fantatry ny olona amin’ny tambanjotran-tserasera no nisy nanafika ny alin’ny Alakamisy nifoha zoma 22 aogositra tao Ambolomadinika P/elle 21/14 misy azy. tamin’ny voalohany dia ny traonon’ny nenintoany no nisy nanafika mialoha izay nataon’ny andian-jiolahy efa-dahy misarontava. Vitan’ireto jiolahy ny fanafihana tao vao nivadika tao amin’ny ramatoa Francia ireto andian-jiolahy, satria mifanila ilay trano notafihana tao anatin’izay. Lasa ny vola tao an-trano sy ny tahiry rehetra hany tao an-trano, lasa avokoa ny finday ny olona rehetra ihany koa, ary mbola nodarohan’izy ireo ihany koa izy ka naratra mafy nandritra izany. Vao lasa raha nahazo ireo notadiaviny ireto andian-jiolahy dia niezaka nitondra an-dramatoa Francia teny amin’ny toeram-pitsaboana ireo akaiky azy. Handalo “scanner” ny teniny izay mbola manohy fitsaboana amina toeram-pitsaboana. Araka ny fanazavana dia teo amin’ny faritry ny lohany ny voan’ny daroka nataon’ireo andian-jiolahy. Vokatra izany dia manao fangatahana tolo-tanana ny fianakavian’ny ramatoa Francia ireo mpikirakira “facebook”, indrindra fa ireto “influenceurs”, satria ny fananana lasan’ny jiolahy sy ny mpianatra izao hiditra ary ny tena nefa tsaboana eny amin’ny toeram-pitsaboana noho hetraketraky ny asan-jiolahy. Araka ny fantatra dia efa mandray an-tanana ny raharaha ny mpitandro ny filaminana ankehitriny, ka ho hitantsika eo ny tohin’ny raharaha…
Malala Didier