- Publicité -
lundi, juin 2, 2025
AccueilFaits-DiversMpamily taxibe nanendaka : Voasambotra ary nadoboka am-ponja

Mpamily taxibe nanendaka : Voasambotra ary nadoboka am-ponja

Tranga hafa mihitsy ary tsy mbola nisy hatramin’izay ! Mpamily taxibe, nanendaka ny mpandeha tao anatiny. Niteraka resabe tao anaty tambajotra sosialy tokoa ity resaka ity raha nandefa fitarainana tao anatin’izany ilay lasibatra. Nandray andraikitra avy hatrany ny pôlisy, nanamarina ny vaovao sy nanao ny famotorana. Nidoboka ilay mpamily. Tao anatin’ny zotra iray, manana ny fiantsonany teny Andranomena no nitranga ity asa ratsy, nampihoron-koditra ny mpandeha fiara ity, ny alahady lasa teo. Nitaraina tao anaty tambajotra Facebook ny vehivavy iray fa niharan’ny fanendahana nataon’ny mpamily ilay taxibe tao amin’io zotra io, raha izy irery no tao anatiny. Lasa tamin’izay ny entana teny aminy niaraka tamin’ny vola maromaro. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina teo anetrahan’ny zava-nisy. Tetsy andanin’izy ihany koa, nanoloana ny fielezan’ny vaovao haingana dia haingana dia tsy niandry ny hosamborina akory fa avy hatrany dia tonga teny anivon’ny kaomisaria teny Ambohimanarina ity mpamily, voatondro ho tompon’antoka tamin’izany. Tsara marihina fa tadidin’ilay vehivavy lasibatra tamin’io fotoana io ny laharan’ny fiara ka mora ny namantatra ny mpamily azy. Notanana avy hatrany natao andrimaso ity farany, ary natolotra ny Fampanoavana, taorian’ny fakana am-bavany azy. Nandray fanapahan-kevitra ny hampiditra azy am-ponja vonjimaika mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy moa ireo mpitsara mpanao famotorana, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici