
Tovolahy iray mpamaky trano hikoizana no sady mpivarotra halatra indray no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Soavinandriana Itasy tarihin’ny Officier de police Razanajatovo Tsiorinirina. Fantatra amin’ny petak’anarana hoe « Baina », izy izay efa nigadra roa taona, ny taona 2021, noho izay asa ratsy izay kanefa dia izao tra-tehaka sy tratra ambodiomby teo am-pitazomanana entana halatra avy tamin’ny trano novakiany. Araka ny fampitam-baovao azo, rehefa nidina nisava ny tranony, teny Ambalakisoa, ao amin’ny fokontany Avaratsena ny pôlisy, taorian’ny fanomezam-baovao azon’izy ireo no nahatsikaritra ireto entana maro isan-karazany, izay tsy azo heverina fa azy velively. « Tsy misy jiro ao aminy kanefa nisy « ecran plat » ary tsy vitan’izay fa mbola nahitàna vilia bakoly marobe ihany koa » hoy ny vaovao. Rehefa nandeha ny famotorana dia fantatra soa aman-tsara fa entana avy nangalariny ireto : ny iray tao amin’ny tokatrano iray tao Bemasoandro, fokontany Antranoroa, ary ny iray tao amin’ny Lycée iray tany an-toerana.
Izy sy ny vadiny moa no tratra tao an-trano ary samy nentina natao famotorana avokoa. Niaiky izy ireo fa entana halatra ireto tao an-tranony ireo, ary i Baina sy izany vehivavy fantatra amin’ny anarana hoe Tina izany no mpiray tsikombakomba amin’ny fivarotana ireo. Rehefa niroso tamin’ny fisamborana ity farany moa ireo pôlisy dia voalaza fa efa nitsoaka sy tsy tao an-tranony intsony ity farany. I Baina sy ny vadiny kosa, niaraka natolotra ny Fampanoavana omaly ary samy nadoboka am-ponja vonjimaika ao Miarinarivo. Karohina fatratra kosa ilay vehivavy iray naman’izy ireo.
m.L