- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohipo : Voasambotra i Lava, tompon’ny « daka nandrivorivo »

Ambohipo : Voasambotra i Lava, tompon’ny « daka nandrivorivo »

Omaly vao nivoaka tamin’ny fomba ofisialy teo amin’ny pejin’ny pôlisim-pirenena ny fisamborana an-dRalava, ilay tovolahy hita tamin’ny horonantsarin’ilay ady an-dalambe ny andron’ny krimasy teo teny amin’iny faritra Ambohipo iny. Araka ny hita tao amin’ny rantin’ny polisy hatrany dia ny ampitson’io zava-niseho io, izany hoe ny alakamisy teo no nosamborina ity farany ary « notanana natao fanadihadiana ny tenany ary miandry ny fampakarana azy eny amin’ny fitsaràna »

Tsara marihana fa antony nisamborana azy voalohany indrindra ny herisetra an-dalambe niaraka tamin’ny vono sy ratra niniana natao. « Lava », izay hita tsara tao anatin’ilay horontsary niparitaka tao anaty tambajotra sosialy, ho tompon’ilay « daka nandrivorivo » naha- « K.O » tanteraka ilay olona nifanandrina taminy. Ity farany, raha tsiahivina hatrany dia efa lavo tamin’ny tany.  

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici