
Tsy ela fa andro vitsy dia voasambotra izy roa lahy, tetsy Alarobia Amboniloha ny harivan’ny asabotsy teo. Ireo farany izay nandray anjara mivantana tamin’ny horonan-tsary mamoafady izay niparitaka ary artista iray no nanaovan’ireo ny filàna. Nitory io mpanakanto io noho ny fananararaotana ara-nofo, satria nilaza izy fa mamo sy tsy tompon’ny tenany nandritra ny firaisana faobe natao tao anaty fiara ary nalaina vidéo. Lasa mahoraka maneran-tany ankehitriny izy zava-nitranga ity rehefa nanaiky ny nohadihadian’ny onjam-peo frantsay ilay artista ka nanazava izay nihatra taminy. Maro ireo haino aman-jery iraisam-pirenena nijapy ary nanaraka ny vaovao. Toraka izany koa ireo mpisintona lakolosy amin’ny tambajotra sosialy izay nanao ho asa ny fitsikerana isan-karazany. Raha ny fanazavan’ny mpanakanto tamin’ny onjam-peo vazaha dia tsy fantany akory ny fisian’iny video nanjo azy iny raha tsy efa roa taona taty aoriana. Nantsoin’ireo lehilahy izy ary nampitahorina fa haparitaka ny video. Izany hoe mety misy tambiny ara-bola notadavin’izy ireo tao anatin’izany saingy any amin’ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana no mety hipoitra izany. Fanindroany izay no nisian’ny mpanakanto vavy malagasy izay voaraki-tsary mamoafady ary nisy nanaparitaka.
D.R