Nanao totoafo ny vokatra mendri-piderana azon’ireo Zandary, ato anatin’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka ankehitriny, manoloana ny asa ratsin’ireo malaso. Raha hotantarana tokoa ny tena zava-nitranga tao amin’ny tanàna atao hoe: Bekorobo, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antsiafabosotra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna dia Ramatoa iray mpanangom-bolamena sy mivarotra entana madinika no nisy nanafika ny andron’ny faha 22 Desambra taona 2024 lasa teo iny, tokony tamin’ny fito ora hariva tany ho any, ka jiolahy efa-dahy nirongo basy no voalaza fa tompon’antoka tamin’ny fanafihana niseho. Lasan’ireo olon-dratsy taorian’ny fanafihana moa ny vola mitentina 9.000.000 ariary sy volamena milanja 250g an’io niharam-boina io. Voalaza ihany koa fa matetika torana ilay Ramatoa na dia tsy nokitian’ireo malaso aza, nandritra fanafihana nataon’izy ireo. Noho ny fiaraha-miasa tamin’ny niharam-boina sy ny Zandary avy eo anivon’ny borogady eto Maevatanàna an-tampon-tanàna, dia azo sambo-belona teto amin’ny renivohi-paritra Betsiboka ny alin’ny Alatsinainy faha 23 Desambra taona 2024 teo iny ny telo tamin’izy ireo, izay nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana mitam-basy izay fantatr’ilay Ramatoa tsara ihany koa ny endriny, izay tsy nanao saro-tava nandritra asa ratsy nataon’ireo malaso. Hoan’ny fitsinjaram-pahefana, dia nanfindra toerana any amin’ny borigady ny Zandary any Andriba, izy telo lahy ny andron’ny talata faha 24 Desambra taona 2024, tokony tamin’ny 6 ora sy 20 minitra hariva. Mitohy hatrany ny famatorona ataon’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.
Ratantely