Teny Ikianja Ambohimangakely no voasambotra, ny andron’ny Noely, ny lehilahy iray voarohirohy fa isan’ireo namono ilay mpamily taxi hita tetsy Miadana-Alasora ny alin’ny 24 desambra teo. Lehilahy 25 taona ity voasambotra ity ary niaiky tsy nanafina fa nandray anjara tamin’ilay heloka bevava. Nilaza ihany koa izy fa mbola misy lehilahy iray hafa miaraka aminy, izay heverina ho atidohan’ny famonoana, ary mbola karohin’ny mpitandro ny filaminana hatramin’izao. Nandritra ny fizahana nataon’ny mpitsabo dia voamarina fa nahitana tsatok’antsy telo teo amin’ny vatan’ilay niharam-boina. Nambaran’ny lehiben’ny fokontany ao Miadana, Alasora fa olona tsy mipetraka ao an-toerana no tompon’antoka tamin’ny loza nitranga. Nilaza izy fa hampitombo ny fanaraha-maso sy ny fandraisana andraikitry ny fokontany hiarovana ny filaminana, ary hiara-hiasa akaiky hatrany amin’ireo mpitandro ny filaminana. Araka ny fantatra hatrany, lehilahy 36 taona, mpamily taxi, no hita tao anaty lava-piringa tao amin’io fokontany io ny alin’ny 24 desambra tokony ho tamin’ny 9 ora. Tsy hita popoka izy nanomboka ny 5 Desambra. Rehefa natao ny fikarohana dia hita tao anaty siny lehibe voalohany ny razana, avy eo natsoboka tao anaty lava-piringa indray. Efa niala tsy nipetraka intsony ireo olona nonina tao amin’ilay trano akaiky ny toerana nahitàna azy tamin’io fotoana io. Fantatra ihany koa fa noravàn’ireo olon-dratsy ny fiara taxi nitondran’ilay niharam-boina, ka namidin’izy ireo tsikelikely ireo kojakoja rehetra, ary na dia ny vatan’ilay fiara aza dia nahodin’izy ireo ho fatim-by. Miandry ny firosoan’ny fanadihadiana sy ny fisamborana ireo sisa tafaporitsaka ny raharaha amin’izao fotoana izao.
D.R



