Anosibe: Omeny fanafody fampatoriana ireo ankizy avy eo aolany.
Lehilahy iray manodidina ny 35 taona teo ho eo, fantatra amin’ny anarana hoe Patrick E. no saron’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona teny Anosy, ny alakamisy maraina lasa teo, teny Namontana Anosibe. Araka ny fantatra dia ankizilahy mpiara-matory aminy maromaro no efa naolan’ity lehilahy ity, izay fantatra fa mpiasan’ny fahasalamana. Manodidina ny 10 ka hatramin’ny 11 taona eo avokoa ireo ankizilahy ireo raha ny voalazan’ny mpitandro filaminana. Ary tsy lavitra fa samy mipetraka eo an-tanana ihany. Voalazan’ireo mponina eny an-toerana fa miseho ho manampy ny mpiara-belona aminy ity lehilahy ity. Ireo ankizilahy mpakao aminy kosa dia tambazany vola sy omeny sakafo. Noho io toetrany io dia efa natoky azy avokoa ny ray aman-drenin’ireo zaza teo an-tanàna ary mamela ny zanany hatory sy hankany amin’ity rangahy mpanolana ity rehefa alina ny andro. Zava-doza anefa no ataon-dranamana eo am-patoriana. Raha ny fitantaran’ireo ankizy dia indraindray akasok’ity lehilahy ity amin’ny fitombenan’ireo kilonga lahy ny mahalehilahy azy. Ambonin’izay, voalaza fa omeny zava-pisotro ireo ankizy ireo alohan’ny hatory ka tsy mahatsiaro izay ambonin’ny tany. Amin’izay fotoana izay no hanesorany ny pataloany sy hanamparany ny filan-dratsiny ao amin’ny fitombenan’ireo kilonga madinika. Taorian’ireo fihetsika ireo dia tsy misy mety matory any amin’ity rangahy ity intsony ny ankizy ka nahalasa saina ireo ray aman-drenin’izy ireo. Vaky bantsilana teo ny hadalan’ity lehilahy ity. Iretsy ankizy ihany koa rehefa natao ny fitiliana tany amin’ny toeram-pitsaboana dia fantatra fa simba tanteraka ny iray ary voamarina fa niharan’izay ihany koa ny telo. Nosamborin’ny pôlisy avy hatrany ity lehilahy ity, taorian’ny fitorian’ireo ray aman-drenin’ireo zaza. Niaiky tanteraka ny hadalana nataony tamin’ireo ankizilahy ity lehilahy ity, natolotra ny fitsaràna omaly.
m.L