Ny faha-16 febroary lasa teo iny dia naharay voavao avy tamin’olona tsara sitrapo ny zandary ao amin’ny Poste Avancé ao Andrafenkona fa misy lehilahy iray, 50 taona, monina ao amin’ny fokontany Mahazava , kaominina ambanivohitra Andrafenkona, distrikan’i Vohemar, izay mitazona bala marobe ao an-tranony. Raha nataon’ny zandary ny fikarohana sy ny fisavana ny tranon’io lehilahy io ary ny fanadihadiana azy dia nahitana bala na kalacknikov “caliber” 7,60mm ka miisa 39 tao aminy. Nofonosiny tamin’ny lambam-paty ireo bala ireo ary napetrany ao anatin’ny valizy. Niaiky ilay olona nefa nolazainy tamin’ny mpanao famotorana kosa fa nomen’olona azy tamin’ny taona 2002 ireo bala ireo.
Remi Rakotonirina