- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversVohémar : Basy vita gasy 04 saika hamidy, tra-tehaka, lehilahy iray voasambotra

Vohémar : Basy vita gasy 04 saika hamidy, tra-tehaka, lehilahy iray voasambotra

Noho ny fanomezana loharanom-baovao marim-pototra avy tamin’olona tsara sitra-po ho an’ny mpitandro filaminana, dia saron’ny Zandary avy ao amin’ny Tobim-paritra Ampanefena, tao Masomamangy, fokontany Ambodipont Anjambazamba, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antsirabe-Nord, distrikan’i Vohémar, ny lehilahy iray mpivarotra basy vita gasy, ka basy mahery vaika miisa efatra izay efa mitovitovy amin’ny vita vazaha no tra-tehaka tany aminy, ny asabotsy teo. Raha ny fanazavana azo, dia saika hamidy ireto basy fohy roa sy basy lava roa ireto, izao tra-tehaka izao. Ny Lietnà-kolonely Hajatiana Ralaikoto, Kaomandin’ny Vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria ao Sava, dia manentana hatrany ny vahoaka mba tsy hisalasala amin’ny fanomezam-baovao ny Zandary, mba hahafahan’izy ireo manao ny asany amim-pahombiazana, ary nanome toky ity tompon’andraikitra manamboninahitra ambony ity, fa hotazomina ho tsiambaratelo tanteraka ny mikasika izay manome vaovao, ary koa omena maripankasitrahana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici