Nandriaka ny rà. Daroka sy vono no nihatra tamin’ireto olon-dratsy azon’ny fokonolona tany amin’iny distrikan’i Vohémar iny. Tsy namelan’izy ireo raha tsy tapitra hatramin’ny ainy. Niisa enina izy ireo ary mbola misy roa hafa karohana fatratra hatreto.
Raikitra indray ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny tananan’i Beranofary, kaominina Tsarabaria, distrikan’i Vohemar, ny alin’ny alahady lasa teo. Efa leo tanteraka amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana any an-toerana mantsy ireo fokonolona hany ka tsy namelan’izy ireo raha tsy maty ireo dahalo enin-dahy voasambotr’izy ireo. Raha ny zava-nitranga : ny alahady hifoha alatsinainy teo dia nisy andian’olon-dratsy, nanafika tao amin’ny tokantrano iray tao amin’io tanana voalaza etsy ambony io. Lavanila milanja teo amin’ny 150 kilao teo ho eo no lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany. Nampandrenesina avy hatrany ny zandary. Ireo farany moa dia niezaka nidina avy hatrany tany an-toerana na dia lalana tokony ho adiny efatra eo ho eo aza ny manasaraka ilay tanana sy ny tobim-paritry ny zandary akaiky indrindra, ny ao Ampanefena. Mandra-piandry izay aloha dia ireo fokonolona araka izany no niara-nirona nanenjika ireo olon-dratsy. Tsy niandry ela anefa dia voasambotra ny enina tamin’ireo olon-dratsy ary niharan’ny daroka sy ny vono ary ny tora-bato. Mbola tratra tany amin’izy ireo aza ny basy poleta roa sy ny ambina lavalina nangalarin’izy ireo milanja 90 kilao eo sisa. Mbola nisy olona roa voalaza fa tafatsoaka ary mbola karohina. Araka ny fampitam-baovao azo dia efa samy namoy ny ainy avokoa ireto olon-dratsy ireto tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary tao an-toerana. « Nandray fepetra ny komandin’ny vondrotobim-pileovana ao Sava amin’ny fanentanana ny olona tsy hanao fitsaram-bahoaka fa hanolotra ny olondratsy eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ary hametraka fitokisana ihany koa amin’ny mpitandro filaminana», hoy ny fanazavàna azo. Nanaiky ny fandaminana moa ireo fokonolona ary namela ireo zandary hanohy ny fikarohana ireo tafatsoaka.
m.L