- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversVohémar : Efa-mianaka notetitetehana tamin’ny antsy lava lela tao an-tranony

Vohémar : Efa-mianaka notetitetehana tamin’ny antsy lava lela tao an-tranony

Nitrangana vono olona nahatsiravina indray tany Vohémar, afak’omaly alina, ka raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy notetehin’ny antidahy nivahiny tao aminy. Naratra mafy kosa ny zanany roa ary ny vadiny izay mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Salfa. Raha vao nitranga ny loza dia niantso vonjy ny niharam-boina, ka fotoana fohy taorian’izay dia tonga ny Fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Rehefa nosamborin’ny Polisy ilay rangahy nahavanon-doza, dia nanohitra mafy an’ireo mpitandro filaminana sady nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy, ka voatery nitifitra niaro tena ireto farany, ary maty lavon’ny bala ilay mpamono olona, raha ny fanazavana nomen’ny Kaomiseran’ny Polisy ao Vohémar, Atoa Tombozafy. Raha ny fanamarinam-baovao azo avy amin’ny mpitandro filaminana hatrany, dia avy any Ambohitsara distrikan’i Manakara ity lehilahy lehibe efa voky taona nititetika olona efa-mianaka ity. Araka ny fantatra, dia nilaozan’ny fiara iray hitondra azy ho any Sambava izy no nangataka nivahiny tao amin’ity fianakaviana ity. Tsy nisalasala nampiantrano an’ity lahiantitra nahonena ity ny tompon-trano, kanefa zava-doza no nitranga rehefa alina ny andro.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici