- Publicité -
dimanche, novembre 9, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVohémar : Famonoana sy fandrobana mpandraharaha sinoa, jiolahy 4 voasambotra

Vohémar : Famonoana sy fandrobana mpandraharaha sinoa, jiolahy 4 voasambotra

Taorian’ny fanafihan-jiolahy nitam-piadiana nitranga ny 30 oktobra lasa teo, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany alina, nahafaty tao an-tranony mpandraharaha sinoa anti-dahy 70 taona, izay tompona toeram-pivarotana lehibe iray ao Vohémar, ka voaroba nandritra ny fanafihana ny vola iray baoritra, izay volam-barotra maty ny tontolo andro. Rehefa nanao fikarohana an’ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana any an-toerana, dia voasambotry ny Polisim-pirenena ny efatra tamin’ireo jiolahy. Taorian’ny famotorana lalina natao, natolotra ny Fampanoavana tany Antalaha ireto jiolahy tra-tehaka, ary taorian’izany no naiditra am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy izy efa-dahy. « Ary mbola an-dàlam-pikarohana an’ireo jiolahy telo ambiny any am-pandosirana kosa izahay », raha ny nambaran’ny « Commissaire de Police » Ramorasata Joro, tamin’ny antso an-tariby nifanaovanay taminy, omaly antoandro. Raha tsiahivina, jiolahy fito nitondra basy sy zava-maranitra no niditra an-keriny tao amin’ny tranombarotra « Chez Tony », izay toeram-pivarotana sady fonenan’ity sinoa zanatany ity sy ny vadiny. Ora telo taorian’ny fanafihana vao nahazo fampandrenesana ny mpitandro filaminana, ka nananosarotra ny fikarohana an’ireo jiolahy. Noho ny fiaraha-miasa matotra nisy teo amin’ny Polisy sy ny olona tsara sitrapo nanome loharanom-baovao marim-pototra, dia voasambotra tany Antalaha ny roa tamin’ireo jiolahy, raha tao Vohémar kosa ny roa ambiny.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici