Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina nahafatesana olona tsy manan-tsiny indray, tany amin’ny Distrikan’i Vohémar, amin’ny RN5A iny, afak’omaly, ka olona telo mianaka no namoy ny ainy, rehefa voadonan’ny fiara 4×4 iray ; izay nirimorimo mafy nentina teratany sinoa. Raha ny vaovao voaray, tao Tsaratanàna, 1km hidirana ny tanànan’ny Kaominina ambanivohitra Antsirabe Nord no nitranga ny loza. Vokany : olona iray maty tsy tra-drano, raha teny amin’ny hopitaly kosa no namoy ny ainy ny roa naratra mafy voadona. Raha ny fantatra, dia avy any Antalaha saika hihazo ny Kaominina Ampanefena ity fiara tsy mataho-dalana ity no namoa-doza izao. Rehefa avy nandona an’ireo telo mianaka ity fiara miloko fotsy ity, dia nivadika ambony ambany nivarina tany an-kady avy eo. Mba hisorohana ny hatezeram-bahoaka, dia nanao fifampiraharahana ara-drazana ilay sinoa nitondra ny fiara nahafaty olona, ka nanaiky nandoa vola 18 tapitrisa ariary isaky ny olona maty ireo kely maso. Ary niampy 18 tapitrisa ariary ihany koa ho an’ireo kamboty efatra mianadahy zanaky ny lehilahy iray tamin’ireo maty. Araka ny fantatra, hoentina any an-tanindrazany, any amin’ny Distrikan’ Ambositra, Faritra Amoron’i Mania, ny nofo mangatsiakan’ny roa ; izay mpianaka tamin’ireo namoy ny ainy.
Eric Manitrisa