- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversVohémar : Fivarotana voatafika, Sinoa maty voatifitra

Vohémar : Fivarotana voatafika, Sinoa maty voatifitra

Amin’izao fotoan’ny « vavasaha » fiakaran’ny vokatra lavanila izao, dia mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny Distrikan’i Vohémar, Faritra Sava, ka miaina ao anaty horohoro sy tahotra ny mponina. Afak’omaly alina, raha ny vaovao voaray, dia Sinoa mpandraharaha sady tompona toeram-pivarotana lehibe iray, izay diso fantatry ny maro ao Vohémar no maty notafihin’ny andian-jiolahy nitam-piadiana tao an-tranony. Voaroba nandritra ity fanafihana ity ihany koa ny vola iray baoritra, izay volam-barotra maty ny tontolo andro. Rehefa nahazo ny remby notadiaviny sy avy nanao habibiana ireo olon-dratsy,  dia nitsoaka nandositra, ka mbola karohina fatratra sy atao hazalambo amin’izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici