- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversVohémar : Mpangalatra lavanila notapahin-tanana sy novonoina ho faty

Vohémar : Mpangalatra lavanila notapahin-tanana sy novonoina ho faty

Lehilahy iray indray no niharan’ny fitsaram-bahoaka tany amin’iny distrika Vohemar, omaly vao mangiran-dratsy : resaka halatra lavanila manta teny am-potony ! Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia efa leo tanteraka ny amin’ity resaka halatra lavanila ireo mponina, fa indrindra ny amin’ny afitsok’ireo tontakely izay tsy mitsitsy mihitsy fa avy hatrany dia mamono ho faty. Ka ho setr’izay, raha ny vaovao hatrany dia tsy navelan’ireo nahatratra raha tsy nanaraka hatramin’ny ain’ity lehilahy ity, rehefa avy nampijaliana. Fantatra mantsy fa notapahan’ireo nahatratra azy tarangana mihitsy ny tanany. Tsy nampoizin’ity lehilahy ity ho nisy niambina mantsy ilay saha. Hany ka noraisim-potsiny teo am-piotazana ireo lavanila manta ingahirainy. Manjaka tanteraka tokoa amin’izao fotoana izao ny halatra lavanila, indrindra fa ireo izay mbola maitso eny am-potony, any amin’iny faritra Sava sy Atsinanan’ny Nosy iny. Eo anatrehan’izay dia samy manao izay saim-patany ireo tantsaha ny amin’ny fiarovana ny voliny, ka tsy mahagaga intsony raha mirongatra izay tsy izy ny fitsaram-bahoaka amin’ireo olona izay tratra mangalatra. Etsy andanin’izay ihany koa moa, ireo olon-dratsy dia tsy mitsitsy ary tsy menatra ny mamono –amin’ny fomba feno habibiana mihitsy- ireo tompon’ny vokatra, mba ahazoany ny zavatra tadiaviny, toy ireo vono isan-karazany nitranga tamina distrika maromaro tamin’ireo faritra ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici