Efa tsy nahazaka intsony ny vahoaka fa indrindra ireo mpandraharaha any Vohemar hany ka miangavy ny mpitondra fanjakana mba handray andraikitra noho ny fanararaotam-pahefana sy fakana vola an-keriny amin’olona ataon’ny lehiben’ny mpitandro filaminana iray any an-toerana. Ity fanararaotam-pahefahana ity, dia tsikaritra rehefa nisokatra ny fivarotan-davanila, ary tsy nitsahatra izany amin’izao fotoana izao. Efa tsisy henatra, ary tsy mifidy tavan’olona intsony, ity farany sy ny ekipany sasantsasany maka vola amin’olona. Araka ny vaovao voaray, dia tsy latsaky ny iray tapitrisa ariary no vola raisiny amin’olona ka ny mpamboly lavanila sy mpidrandraka vatosoatao tamin’ny kaominina Milanoa sy Ampanefena no tena efa betsaka tratrany amin’ity fanararaotam-pahefahana ity. Tsy izany ihany, fa efa maro koa ny ao antapon-tanànan’ny Vohemar izay nilaza fa efa nakany hatramin’ny 16 tapitrisa ariary. Ny mponinna any amin’iny faritra iny, dia mitaraina amin’ny mpitondra fanjakana satria mahatsiaro fa tena tsisy mpiaro mihitsy. Amin’izao fotoana izao dia tena efa malaza ratsy mihitsy ity mpitandro filaminana iray ity, ka hatramin’ny ankizy hono dia efa manao resabe momba izany. Araka ny tokony ho izy, dia hiaro ny vahoaka sy ny fananany no asan’ny mpitandro filaminan, nefa dia mifonohitra amin’izany mihitsy ny hiainan’ny vahoaka any Vohemar, amin’izao fotoana izao. Aiza ho aiza ary no hatokisan’ny vahoaka ireo mpitandro ny filaminanana noho izany?
BJC