Ny alarobia teo, nisy sakoroka niseho tany amin’ny tananan’ Ampanefena any Vohémar SAVA. Vokany, nodoroin’ny olona ny biraon’ny zandary sy trano telo an’ny zandary any an-toerana. Azo lazaina fa toa niharan’ny “fitsaram-bahoaka” ireo mpitandro filaminana. Andro vitsy lasa izay, nisy zaza efatra taona maty. Voatondro fa pasitera iray no nahavita izany zavatra izany. Nosamborin’ny mpitandro filaminana ity mpitondra fivavahana ity. Rehefa fantatry ny mponina ny zavanisy dia nirohatra nandeha teny amin’ny tobin’ny zandary ny rehetra ary nitaky ny hanomezana azy ireo an’ilay pasitera voalaza fa voarohirohy amin’izao fahafatesana izao. Tsy nanaiky hatramin’ny farany anefa ireo mpitandro filaminana. Niakatra ny hatezeran’ny olona ary farany niafara tamin’ny fandoroana ny birao iray sy trano telo. Ny vaovao avy any an-toerana hatrany no hilazana fa omaly 7 aogositra dia toa efa nilamina ny raharaha. Izay mbola ho tohin’izao zavatra izao no tsy fantatra. Efa tena leo amin’ny afitsoky ny olon-dratsy isan-karazany ny mponina amin’izao fotoana izao, ka zary lasa manao ny tsy tokony hatao. Ireo fantatra fa nanao ratsy koa moa metetika, indrindra raha tsy misy mitory, tsy ela dia hitan’ny olona mandehandeha eny rehetra eny ary mandrahona hamalifaty.
Nangonin’I r.s.