Tsy hita popoka nanomboka ny 5 aogositra lasa teo, Rtoa Misizara Arline monina ao Andranomasibe I, Distrikan’i Vohemar, ary tsy fantatra na maty na velona amin’izao, hoy ny havany. Handeha hividy entana ao Sambava, renivohitry ny Faritra Sava, no nialan’ity renim-pianakaviana mpivarotra ity ny tokantranony, ny andron’ny alahady io. Rehefa tonga tao Sambava izy, tokony ho tamin’ny efatra ora tolakandro, dia niantso ny rahavaviny mipetraka ao Soavinandriana tamin’ny findainy, nilazany fa rahampitso ihany dia hitodi-doha hody rehefa mahazo entana. Araka ny tati-baovao voaray, dia mbola nanafatra ny zanany vavy 18 taona ihany koa ity renim-pianakaviana ity, ary nilaza fa « Amaray maraina zaho mandalo ao aminareo Antsirabe Nord, ary mety tsy hiaraka antsika, fa izaho tsy maintsy mandalo ».
Nandrasan-janany ny fotoana nifanomezana io, fa tsy nipoitra ity reniny. Nantsoina tamin’ny findainy, ny antoandron’ny alatsinainy lasa teo, tamin’ny 12 ora, mba hanontany aiza ho aiza ianao izao, nefa samy efa tsy nisy tratra antso intsony nanomboka teo ny laharan-telefaoniny roa : 032 70 206 68 sy 033 61 868 23. Nilentika ihany ny masoandro, tsy tonga ny reniny, ka nanaitra ny fianakaviana rehetra ity zanany amin’ny fiaraha-misalahy amin’ny fitadiavana an’ity nahitany masoandro. Ho fikarohana an’ity renim-pianakaviana ity, mba hiantsoan’ireo izay manam-baovao mahakasika an-dRtoa Misizara Arline, dia nametraka laharana finday maromaro ny fianakaviany (032 28 928 08, 032 27 665 84, 032 73 318 41, 032 75 539 64, 032 73 824 01, 032 76 118 47).
Eric Manitrisa