Noho ny fanomezana loharanom-baovao marim-pototra avy tamin’ olona tsara sitrapo ny mpitandro filaminana; izay nilaza fa misy olona mamboly rongony ao Andraparany Fokontany Ambakirano, any Kaominina ambanivohitra Fanambana, dia nidina ifotony nijery ny zava-misy ny zandary avy ao amin’ny Tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena Vohémar, ka sahan-drongony amina velaran-tany mirefy 0,5 ha no sarona tamin’ilay toerana voatondro, ny tolakandron’ny zoma teo. Olona roa tompon’ireto voly rongony ireto no voasambotra, ka tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo, dia niaiky ireto mpamboly rongony, fa hamidin’izy ireo amin’ireo jiolahy eny an-tanàn-dehibe ny vokatra. Nopotehina avy hatrany ireto voly rongony an-tsasaka hekitara sarona ireto, ary sahabo ho iray taonina eo ireo ravin-drongony lena nodorana avy hatrany teny an-tsaha teo anatrehan’ny mpitondra any an-toerana sy ny Fokonolona. Mahakasika an’ireo jiolahy mpamongady mpandray ny rongony eny an-tanàn-dehibe kosa, dia mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fikarohana ireo patiraon-drongony, araka ny tati-baovao voaray hatrany.
Eric Manitrisa