Resaka hala-jaza sy fanolanana teny amin’iny faritra SAVA iny, tato ho ato izay dia lasa resabe ka tsy matoky intsony angamba ny vahoaka. Nisy sakoroka kely saika niitatra indray tany Vohemar omaly noho ny teny nataon’ny lehilahy iray tamin’ny ankizy folo. Niteny hono ilay rangahy hoe « tapatapahako ny lohanareo rehetra dia hohaniko ». Lasa nandositra daholo izy ireo ka nandeha nampilaza ny raiamandreni’izy ireo. Tonga avy tany olona maro be, satria naheno ny vaovao koa ny olona tamin’ny manodidina andeha hijery io lehilahy io. Soa ihany fa nandray andraikitra ny zandarimariam-pirenena tao Vohemar, ka nisambotra io lehilahy io. Ka araka ny vaovao voaray tamin’izy ireo dia tsy fantatra na nanao sangy na tena izy tokoa ny io olona io. Fa ny zandarimaria ao an-tanàna amin’izao dia mbola hanao fanadihadiana mba hahafantarana ny tena marina momba ity raharaha ity.
Articles qui pourraient vous intéresser