Mivoatra hatrany ny toe-draharaha any Ampanefena Vohemar amin’izao fotoana izao. Fantatra mantsy fa taorin’ny nahamay ny biraon’ny zandary sy ny trano telo ipetrahan’izay ireo dia nisy ny fisamborana natao. Ny vaovao voaray avy any an-toerana no nahafantarana fa olona efa maherin’ny zato no nosamborina, omaly tamin’ny 5 ora hariva. Fa ny tena mahavariana amin’ity raharaha ity, tezitra tamin’ny nahamay ny tranony ireo mpitandro filaminana koa dia nisy ny fisamborana nataony, hoy ny vaovao voaray. Izay lehilahy feno 18 taona mandeha eny amin’ny arabe dia voasava avokoa. Tsy vitan’izany, hoy ny vaovao fa nisy ny fandratrana sy ny fikapohana azy ireo. Maro araka izany ny maratra. Teo anoloan’izany, matahotra ny mponina ka milefa any ambanivolo rehetra any. Raha tsiahivina ny zavatra niseho dia ny fahitana fatina ankizy 4 taona tany Antsirabe Nord no nahatonga ny sakoroka. Pasitera amina sekta iray no voalaza fa nahavanona ny loza. Tratra izy io ary nosamborina. Fantatry ny mponina izany koa dia notakaina ny hanomezana azy ireo ilay mpitondra fivavahana. Tsy nety ny zandary ary dia nanomboka ny sakoroka. Vokany, may ny biraon’ny zandary sy ny trano telo ipetrahan’izy ireo. Nisy ihany koa ny fipoahana grenady nandratra olona. May avokoa ny zavatra tao ka anisan’izany ny moto sy basy. Araka izany, tsy mbola milamina ny any an-torana amin’izao fotoana izao. Efa misy moa ny “renfort” avy any Antalaha, Sambava ary mbola ho avy ny any any Antsiranana.
BJ.Chirac