- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversVohémar : Sakoroka tanaty alim-pandihizana, tovolahy iray maty voatsindrona tavoahangy

Vohémar : Sakoroka tanaty alim-pandihizana, tovolahy iray maty voatsindrona tavoahangy

Semban-drahona ny lanonana nokarakarain’ny Kaominina, mba hitadiavam-bola hanamboarana ny “Lycée Mixte”. Ny alin’ny alakamisy teo, niafara tamin’ny faty olona mantsy ny alim-pandihizana nataon’ny mpanakanto Bemalaza, tao Amboriala Vohémar. Nisy andian-tanora namonjy an’ity alim-pandihizana ity no niady nifandritaka. Tovolahy iray 25 taona no namoy ny ainy voatsatoka tavoahangin-dabiera, teny amin’ny vozony. Noho ny fahaverezan-drà be loatra, dia maty teo noho eo ilay tovolahy. Nitsoaka kosa ireo nahavanon-doza tompon’antoka tamin’ny famonoana, ka mbola karohin’ny Zandary fatratra amin’izao, araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tànana ny raharaha.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici