- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversVohémar : Vehivavy voalaza fa mpaka an-keriny, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Vohémar : Vehivavy voalaza fa mpaka an-keriny, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Soa ihany fa tonga aloha ireo zandary, raha tsy izany dia aina iray indray no nafoy vokatry ny fitsaram-bahoaka tany amin’iny distrika Vohemar iny ny alahady lasa teo. Raha ny fampitam-baovao azo tokoa mantsy dia vehivavy iray izay voalaza fa mpaka an-keriny no nosamborin’ny fokonolona tao amin’ny kaomina Antsirabe Avaratra. Niely vetivety teo an-tanana mantsy ny resaka fa sady mpaka an-keriny ity vehivavy no mpangala-jaza. Tamin’io fotoana io dia nandeha niondrana tao anaty taxi-brousse io vehivavy io ary nalaza tamin’izay fa hoe handeha hitsoaka. Sendra ny sampona anefa fa maty teo amina tanana iray tao anatin’io kaominina io hatrany ilay fiara nitondra azy. Niomankomana ny hisambotra azy araka izany ireo fokonolona ary efa raikitra mihitsy aza fa ho dorana amban’ity fiara nitondra azy nitsoaka ity. Nisy nampandre haingana anefa teo ny zandary avy ao Ampanefena ka tonga haingana teny an-toerana. Nanala ilay vehivavy teo ambanin’ireto fokonolona tezitra tanteraka. Voambina sy avotra ihany koa ilay fiara saika nodoran’ireo fokonolona. Nentina avy hatrany moa ilay vehivavy ary nezahina nalamina ny sain’ireo mponina. Niverina tamin’ny laoniny ny filaminana fotoana fohy taorian’io.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici