Tamin’ny alin’ny andron’ny mpifankatia lasa teo dia nisy alim-pandihizana lehibe natao tao amin’ny “Restaurant Millenium ao Ampanefena. “ Nandritra izany àry no nisy zandary iray nikotaba sady nitabataba, ka saika handrava ny lanonana mihitsy vokatry ny hamamoana tafahoatra”, hoy ny tompon’io “restaurant” io. Nentin’ny hamamoan-toaka tafahoatra ity lehilahy ity dia mbola namely sy nandratra olona iray nilanona tao amin’ny restaurant. Rahefa natao àry ny fanadihadian’ ity zandary ity, noho ny fitorian’ny niharam-boina dia natolotra ny fitsarana ao Antalaha ka nadoboky ny fitsarana eny am-ponja. Tena marina fa na dia natao hentina hialana voly aza ny zavapisotro mahamamo, eny fa na dia ny hafa koa aza, dia tena mampidi-doza tokoa raha tafahoatra ny fisotroana na fihinana azy.
REMI, Rakotonirina