Nisehoana halatr’omby narahina vono olona indray tany amin’ny Distrikan’ i Vohibato Faritra Matsiatra Ambony, ny alin’ny alahady teo, tao amin’ny Fokontany Monongo any amin’ny Kaominina ambanivohitry Mahaditra. Andian-dahalo tanora am-polony nirongo basy sy fitaovam-piadiana hafa toy ny lefona sy famaky ary sabatra no nangalatra omby miisa sivy. Mpanara-dia iray maty voatifitry ny dahalo, ary tompon’omby roa ihany koa no nentin’ ireo malaso nataon’izy ireo takalon’aina. Rehefa dify kely ny tanàna ireo mpangalatr’omby dia niantso avy hatrany ny polisy tao Ambalavao ireo tompon’omby, ka nanao ny fanakanan-dia ireo omby ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny Fikambanan’ny mpiompy omby ao Iarintsena. Efa voaambina daholo ny « kizo » rehetra ka tsy nisy lalana nahafahan’ ny nivoaka nitsoaka intsony ireo malaso. Navelan’ ireo dahalo teo ireo omby avy nangalarina ka tafaverina tamin’ny tompony afak’omaly. Avotra soa aman-tsara ihany koa izy mirahalahy tompon’omby nataon’ ireo mpanani-bohitra takalon’aina, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny Polisim-pirenena ao Ambalavao.
Eric Manitrisa