Na dia eo aza ny ezaka sy ny finiavana ataon’ny mpitandro filaminana ao anatin’ny Tagnamaron’ny Fandriampahalemana mba hisian’ny fitoniana sy fandriampahalemana maharitra, dia mbola mirongatra hatrany ny asan-dahalo any amin’ny Faritra Matsiatra Ambony. Ny alin’ny 19 novambra teo, raim-pianakaviana iray 36 taona, monina ao Antsenavao any amin’ny Distrikan’i Vohibato no maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo tao an-tranony. Rehefa nidaraboka tamin’ny tany nihosin-drà tsy nisy aina intsony ity lehilahy ity, dia mbola nampihorohoro ny iray trano ireto mpanafika sady nitaky vola. Noho ny tahotra ny ho faty, tsy nisy sahy nihetsika ny iray trano, fa nanondro kosa ny toerana misy ny vola notadiavin’ireto jiolahy, ka lasa tamin’izany ny lelavola 10 tapitrisa ariary saika hividianan’ireto fianakaviana fiara. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, nandodona teo am-baravarana ireo jiolahy, ary niantso ny anaran’ity raim-pianakaviana ity, ka vantany vao namoha ny varavarany izy, tonga dia tifitra variraraka teo amin’ny tendany no nihantra taminy, ka maty tsy tra-drano ity rangahy voalaza fa tso-piainana tsy manana olana tamin’ny mpiara-monina ity. Namela manano-tena sy kamboty roa vavy ity ratompokolahy.
Eric Manitrisa