Mandravarava voly sy biby fiompy amin’izao ny andiam-boalavo ngezabe mitovy habe amin’ny saka ny sasany, ao Vohilava, distrikan’i Mananjary, any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Potika avokoa ny ankamaroan’ny voly misy ao Antanambao Vohilava efa amam-bolany maromaro, noho ny fisian’ity andiam-boalavo lehibe mampitondra faisana ny tantsaha ity. Ny tena loza dia lanin’ireto andiam-boalavo ngezabe ireto hatramin’ny zana-kisoa sy ny akoho amam-borona. Miraviravy tanana tanteraka ny mponina any an-toerana miezaka ny mamono araka izay tratry ny heriny, nefa tsy misaha-mitombo isa sy taranaka hatrany ireto andiam-boalavo mamotika ny toe-karena ireto. Raha araka ny vaovao voaray dia manahy ihany koa mponina ny amin’ny mety hisian’ny valan’ aretina pesta vokatry ny fiparitahan’ny parasy, ka anaovan’izy ireo antso avo amin’ny mpitondra mba hamono faran’izay haingana an’ireto andiam-boalavo ireto.
Tsy any amin’iny faritra iny ihany no mitombo isa ny voalavo fa saika manerana ny toerana maro eto amin’ny firenena. Haingam-pitombo tokoa ity biby iray ity ka tena sarotra tsy misy ohatra an’izany ny mamono azy.
Eric Manitrisa