- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversVohipeno : Ahiahy amin’ny halatra taova, naverina nofongarina mihitsy ny razana

Vohipeno : Ahiahy amin’ny halatra taova, naverina nofongarina mihitsy ny razana

Tranga tsy dia fahita firy no nitranga tao Vohipeno tao ny alarobia lasa teo. Lehilahy iray efa maty ary efa nalevina tokony ho efatra andro teo ho eo no naverina nofongarina indray. Izany dia mba hanamarinana ny mahakasika ny resaka niely fa nisy taova tsy ampy sy nangalarina tao amin’io lehilahy io. Raha ny zava-nisy : niainga tamin’ny vaovao iray niparitaka tamin’ny tambazotra sosialy Facebook ny raharaha izay nilaza fa hoe lehilahy iray, nalefa notsaboina tao amin’ny hôpitaly iray tany an-toerana no maty, ary maromaro ireo taova tsy ampy tao aminy. Niahiahy fatratra araka izany ireo fianakavian’ny tompo-manjo fa nangalarin’ireo mpitsabo tao amin’ilay toeram-pitsaboana ny taovan’ny havan’izy ireo. Vetivety dia niparitaka tokoa ny vaovao, ary niteraka horohoro tanteraka teo amin’ireo mponina izany. Tonga hatreny am-poto-tsofin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana sy ny tompon’andraikim-panjakana tao an-toerana izany, izay nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha. Nisy araka izany ny fanadihadiana sy famotorana natao teo anivon’ireo olona voarohirohy. Nidina tany an-toerana mihitsy ireo mpikambana avy eo anivon’ny OMC (« organe mixte de conception », izay ahitàna ireo olom-boafidy, ny tompon’andraikitry ny filaminana, ny tompon’andraikitry ny Fitsaràna ), nijery akaiky ity tranga ity. Tsy vitan’ny fakàna am-bavany ireo tompo-manjo sy izay olona voarohirohy tamin’izany moa ny fanadihadiana fa tsy maintsy naverina nangadiana ary nofongarina avy tao am-pasana nilevenany mihitsy ny razana, mba hanamarinana ny fisiana na tsia izay halatra taova izay. Rehefa notiliana sy nozahan’ireo tompon’andraikitra anefa ilay razana dia hita sy voaporofo, araka ny loharanom-baovao azo tany an-toerana fa hoe « mbola tao avokoa ireo taova izay nambara fa tsy hita tao». Ary rehefa vita ny fitsirahana rehetra dia izay vao naverina nalevina ity lehilahy ity. Araka izany, azo lazaina fa fanaparitahana vaovao tsy marina, entina hampisavorovoroana saim-bahoaka fotsiny ihany ilay filazàna tao anaty tambazotra sosialy. Mety tsy ho vita hatreo araka izany ity raharaha fa tsy mbola  hisy tohiny, saingy miankina tanteraka amin’ireo tompon’andraikitry ny fanadihadiana ny mahakasika izay …

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici