- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVohipeno - Famonoana tovolahy : Olona 4 naiditra am-ponja !

Vohipeno – Famonoana tovolahy : Olona 4 naiditra am-ponja !

Olona miisa enina voarohirohy tamin’ny famonoana tovolahy iray tamin’ny fomba feno habibiana tao Tamboholava, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Mahazoarivo, Distrikan’i Vohipeno no natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Manakara, afak’omaly. Taorian’izay, naiditra am-ponja vonjy maika ny efatra tamin’ireo voarohirohy, ka anisan’izany ilay mpivarotra mpanam-bola izay nanakarama mivantana ireo mpiasany namono imasom-bahoaka tamin’ny alalan’ny toto vodim-basy teo amin’ny lohany an’ity tovolahy namoy ny ainy ity. Na dia efa midoboka an-tranomaizina aza ity mpivarotra patirao mpamono olona malaza ho lava tanana ity, dia mbola mirehareha fatratra sy mieboebo eraky ny tanàna ny havany, ary milaza izy ireo fa manana olona ambony mpiaro, ka mitohy hatrany ny setrasetra sy fampihorohoroana ny fianakavian’ny maty. Manoloana ny ramatahora izany, manaraka akaiky an’ity raharaha ity ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Vohipeno. Ity farany izay nisaotra nanonkana ny Fitsarana sy ny Zandary amin’ny fahasahian’izy ireo nampanjaka ny tany tan-dalàna. Raha tsiahivina, resaka ady tany sy lonilony hatry ny ela no niteraka izao vono olona izao, ka ny asabotsy naraina teo, tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany, no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity tovolahy ity.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici