- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversVohipeno : Mpitrandraka volamena 7 maty tsy tra-drano nihotsahan’ny tany

Vohipeno : Mpitrandraka volamena 7 maty tsy tra-drano nihotsahan’ny tany

Nitrangana loza nahatsiravina indray tany amin’ny distrikan’i Vohipeno, Faritra Vatovavy Fitovinany, ny zoma 13 mey lasa teo. Mpihady volamena miisa fito no maty tsy tra-drano nirotsahan’ny tany tao Manjavela, fokontany Ankaboba, any amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Mahazoarivo. Araka  ny vaovao voaray dia teo am-pitrandrahana volamena izy ireo no nihotsaka tampoka ny tany vokatry ny fahamandoana, ka namoy ny ainy nilevim-belona tao tsy afa-nanavotra aina intsony ireto fitolahy, ary nanano sarotra ny fikarohana ny razana, satria naharitra ora maro. Fitadiavana mba hivelomana no nialana tany an-tanàna nefa vantana mangatsiaka tsy misy aina no novantanin’ny fianakaviana tamin’io “vendredi 13” io.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici